Akondro (voany)

Ny akondro dia voankazo fihinana be nofony sy mitahiry rano, vokarin' ny zavamaniry mitovy anarana aminy, izay karazana sy ovan-karazana volena maromaro avy amin' ny antokon-javamairy Musa, izay ao anatin' ny fianakavian-javamaniry Musaceae. Miovaova isaky ny faritra eto Madagasikara ny anarana ahafantarana ny akondro, ka anisan' izany ny hoe katakata sy kida ary ontsy.
Voankazo misy nofony izay miforona avy ao amin' ny fihary atodinain' ny vonin' ilay zavamaniry izy io. Matetika ny akondro volena dia tsy misy vihim-boa tena mivoatra, noho ny partenôkarpia, ary amin' ny ovan-karazany maro, dia vokatry ny tsy fahafahana miteraka amin' ny alalan' ny voa izay mifandray amin' ny firafitry ny fototarazony. Misy fanavahana mahazatra eo amin' ny akondro mamy (izay matetika hanina tsy nandrahoina) sy ny akondro mila andrahoina, izay ahitana ihany koa ny vondrona antsoina hoe "plantain"[1][2].
Ny teny hoe akondro (sy ny mitovy hevitra aminy) dia sady manondro ny voan' ilay zavamaniry no manondro ihany koa ilay zavamaniry, fa Musa no anarana siantifika iantsoana ny vondron-karazana bôtanika misy ny karazana akondro samihafa, na ny volena na ireo izay maniry ho azy any anaty ala. Mifandray àry ireo teny ireo, saingy tsy azo ampifanakalozina.
Famariparitana ilay voankazo
[hanova | hanova ny fango]Endrika sy bika
[hanova | hanova ny fango]
Amin' ny ankapobeny, ny akondro dia voankazo lava, miendrika varingarina na somary misy zoro, ary matetika miolaka. Miovaova arakaraka ny karazany sy ny ovan-karazana volena ny habeny, ny fiolahany, ny hatevin' ny hodiny, ary ny lokon' ny nofony. Maitso ny hodiny raha mbola tsy matoy. Ho an' ny karazana akondro maro fihinanana toy ny akondro mamy, dia lasa mavo ny hodiny rehefa masaka, ary mety hisy pentina volontany avy eo. Misy ovan-karazany hafa kosa manana hoditra menamena, volomparasy, na manana loko hafa. Matetika dia fotsy, miloko toy ny hero-dronono, na mavo ny nofony, na dia mety hiova arakaraka ny ovan-karazany aza izany loko izany.
Firafitry ny voan' akondro
[hanova | hanova ny fango]Voankazo be nofo ny akondro. Ny hodiny no mandrafitra ny ampahany ivelany amin' ilay voankazo, fa ny nofony kosa no ampahany lehibe indrindra izay hanina. Matetika ny akondro maniry hoazy any an' ala no ahitana vihim-boany mafy sy mivoatra tsara. Raha ny amin' ny akondro volena mba ho hanim-boa kosa, dia matetika tsy misy vihim-boa, na misy ihany fa lasa bitika sy somary mainty, ka tsy mivoatra ho lasa vihim-boa afaka maniry ka hamokatra tsimoka. Ny partenôkarpia, izany hoe ny fiforonan' ny voa nefa tsy nisy fandonahana, no mahatonga ny fisian' ireo karazana voankazo tsy misy vihim-boa afaka mitsimoka ireo.
Fihamasahana
[hanova | hanova ny fango]Voankazo "klimakterika" ny akondro: miova miaraka amin' ny fahamatorany ny fomba fifohan' ilay voankazo rivotra sy ny famokarana etilena, hôrmônina izay manampy amin' ny fandrindrana izany fiovana izany.
Mandritra ny fihamasahana dia rava tsikelikely ny hidrôetilamidôna (tavolo) ao anatin' ny nofon' ilay voankazo, ary mitombo ny habetsahan' ny siramamy mety levona, indrindra fa ny gliokôzy sy ny froktôzy, ary ny sakarôzy. Vokatr' izany, dia matetika lasa mamy kokoa sy malemy kokoa ny nofon' akondro. Miankina, ankoatra ny anton-javatra hafa, amin' ny ovan-karazana sy ny fepetra fitahirizana azy ny fiovana eo amin' ny firafitra sy ny loko ary ny hanitra[3].
Matetika dia otazana alohan' ny hahatongavany amin' ny dingan' ny fahamasahana azo hanina ny akondro natao hotaterina lavitra. Aorian' izay dia azo fehezina ao anatin' ny toerana manokana ny fihamasahany, mba hahazoana voankazo vonona hamidy.
Karazana akondro samihafa
[hanova | hanova ny fango]
Hita taratra eo amin' ny habeny, ny endriny, ny lokony, ny firafitry ny nofony, ny tsirony ary ny fomba fampiasana azy amin' ny sakafo ny fisian' ny fahasamihafana eo amin' ny akondro volena. Araka ny filazan' ny Food and Agriculture Organization of the United Nations (FAO) dia misy ovan-karazana akondro maherin' ny arivo eran-tany. Na izany aza, ampahany kely amin' io fahasamihafana io ihany no hita eo amin' ny varotra iraisam-pirenena.
Akondro mamy
[hanova | hanova ny fango]Hanina tsy nandrahoina, indrindra rehefa tonga amin' ny fahamasahana tsara, ny akondro mamy izay fihinanana mivantana. Ny vondrona Cavendish no manjaka eo amin' ny varotra iraisam-pirenena momba ny akondro mamy, satria izy no manana anjara toerana lehibe eo amin' ny famokarana sy ny fitsinjarana maneran-tany.
Na izany aza dia tsy voafetra ao anatin' ny vondrona Cavendish ihany ny akondro fihinanana toy ny ovan-karazana maro izay jifain' ny mponina eny amin' ny faritra sy ny firenena ambolena azy, ary samy manana ny toetrany manokana ireo akondro ireo, na eo amin' ny lafiny habe, tsiro, loko, na firafitry ny nofony.
Akondro fahandro
[hanova | hanova ny fango]Ampiasaina amin' ny fanomanana sakafo mitaky fandrahoana ny akondro fandraho. Mijanona ho mafy tsara sy be tavolo ny nofony, indrindra rehefa mbola maitso ilay akondro. Azo andrahoina anaty rano, endasina, potserina na totoina ho lafarinina izy ireo.
Vondrona manan-danja amin' ireo izay natao handrahoina ny akondro karazana "plantain", indrindra atỳ Afrika atsimon' i Sahara sy any Amerika Latina ary any Karaiba. Ny teny hoe "plantain" dia manondro voalohany indrindra ny akondro samihafa volena mba handrahoina, ka tsy midika ho ovan-karazana iray manokana na tokana ekena eran-tany izany. Mety hampiasaina amin' ny fomba maro samihafa ny ovan-karazana noforonina sasany, arakaraka ny fahamatoiny sy ny fomba fanaovana nahandro isaky ny faritra.
Vondrona sy ovan-karazana noforonina hafa
[hanova | hanova ny fango]Misy akondro hafa volena izay manana hoditra miloko mena na volomparasy, nofony manana loko miavaka, na toetra mifanaraka amin' ny fampiasana azy eo an-toerana. Mamorona vondrona miavaka ao amin' ny akondro azo hanina ny akondro "Fe'i", izay volena indrindra any amin' ny nosy sasany ao amin' ny Ranomasimbe Pasifika. Fantatra manokana izy ireo noho ny fitombon' ny lafitra miakatra mitsangana, ary amin' ny ovan-karazany noforonina sasany, dia noho ny lokon' ny nofony.
Miovaova arakaraka ny faritra sy ny fomba fambolena ny anarana sy ny fanasokajiana ny akondro. Ny anarana mahazatra omen' ny mponina dia tsy voatery hifanaraka tsara amin' ny vondrona ara-pototarazo na ara-taksônômika voafaritra mazava.
Taharo sy sanda ara-tsakafo
[hanova | hanova ny fango]Taharo ankapobeny
[hanova | hanova ny fango]Miovaova arakaraka ny ovan-karazany sy ny fahamatoiny na ny fahamasahany ary ny fomba fitahirizana azy ny singa ara-tsakafo hita ao anatin' ny akondro. Araka ny angona avy amin' ny United States Department of Agriculture (USDA), ny akondro manta milanja 100 g dia manome eo amin' ny 89 kilôkalôria, gliosida 22,8 g, tsiraka 2,6 g, prôteinina 1,1 g, ary lipida 0,3 g. Ahitana rano sy vitaminina ary mineraly ihany koa ao anatiny[4].
Ireo tarehimarika ireo dia sanda fanondro fotsiny, satria tsy mitovy ho an' ny akondro rehetra. Indrindraindrindra, miova ny firafitry ny gliosida mandritra ny dingan' ny fihamasahan' ny akondro.
Tavolo sy siramamy
[hanova | hanova ny fango]Misy ampahany betsaka amin' ny tavolo ny akondro maitso. Mandritra ny fizotran' ny fihamasahana na ny fihamasahana, dia miova ho siramamy mety levona, izay mahatonga ilay voankazo hihamamy kokoa, ny ampahany amin' io tavolo io.
Tsy levon' ny tsinay kely ny ampahany amin' ny karazan-tavolo hita ao anatin' ny akondro maitso. Azon' ny bakteria an-tsinay aotrika io karazana tavolo tsy levona mora foana io. Miovaova ny habetsahany arakaraka ny lafin-javatra maro, toy ny ovan-karazana sy ny haavon' ny fahamatoiny na ny fahamasahany ary ny fomba fikarakarana ilay voankazo.
Izany fanotrehana izany dia miteraka singa maro, anisan' izany ny asidra matavy misy rojo fohy. Miankina amin' ny habetsahan' ny akondro nohanina sy ny fangaron' ny sakafo ankapobeny ary ny toetra manokan' ny tsirairay ny vokatr' izany.
Vitaminina sy mineraly
[hanova | hanova ny fango]Anisan' ny singa hita ao amin' ny akondro ny pôtasiôma sy ny maneziôma, ary ny vitaminina B6. Araka ny angona fanondro avy amin' ny United States Department of Agriculture (USDA), dia ahitana pôtasiôma eo amin' ny 358 mg sy maneziôma 27 mg ary vitaminina B6 0,37 mg ny akondro manta milanja 100 g.
Mandray anjara amin' ny fiasan' ny sela ara-dalàna sy ny fitazonana ny fifandanjan' ny elektrôlita ao amin' ny vatana ny pôtasiôma. Manana anjara asa amin' ny fiota maron' ny anzima ao amin' ny metabôlisma kosa ny vitaminina B6. Afaka manampy amin' ny fahazoana ireo otrikaina ireo ny akondro, nefa tsy azo heverina ho fitsaboana ampy ho an' ny tsy fahampiana otrikaina na ho an' ny aretina iray.
Taharo manitra sy akora hafa
[hanova | hanova ny fango]Vokatry ny fifangaroan' ny akora mora mivadika ho etona, anisan' izany ny karazana estera maro, ny hanitry ny akondro masaka. Miovaova arakaraka ny ovan-karazan' akondro ny firafitra sy ny habetsahan' ireo akora ireo, ary miova ihany koa mandritra ny dingan' ny fihamasahan' ilay voankazo.
Ahitana haro fenôlika isan-karazany ihany koa ny nofon' akondro. Na izany aza, ny fisian' ny akora manana asa biôlôjika ao anatin' ny sakafo iray dia tsy ampy hanaporofoana fa misy fiantraikany ara-pitsaboana eo amin' ny olombelona izany. Mila sandaina amin' ny alalan' ny fikarohana manokana ireo toetra ireo.
Famokarana sy varotra iraisam-pirenena
[hanova | hanova ny fango]Fiotazana sy fitaterana ary fanamasahana
[hanova | hanova ny fango]
Matetika dia otazana alohan' ny hahatongavany amin' ny dingam-pihamasahana azo hanina tsara ny akondro natao ho an' ny tsena any amin' ny firenena lavitra. Taterina ao anatin' ny fepetra voafehy tsara izy ireo avy eo, mba hampiadana ny fizotran' ny fihamasahany. Rehefa tonga any amin' ny toerana hivarotana azy, dia mety ampiasaina ao anatin' ny toerana manokana ny etilena mba hahatonga ny akondro hitovy fahamasahana tsara.
Misy fiantraikany amin' ny kalitaon' ny voankazo sy ny fatiantoka aorian' ny fiotazana ny mari-pana sy ny faharetan' ny fitaterana ary ny fepetra fitehirizana.
Famokarana maneran-tany
[hanova | hanova ny fango]
Ambolena any amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly maro ny akondro. Anisan' ny faritra tena mpamokatra azy i Azia sy i Amerika Latina ary i Afrika. I India sy i Sina no anisan' ny mpamokatra lehibe indrindra, ka ny vokatra avy amin' izy ireo dia natokana indrindra ho an' ny tsena anatiny.
Araka ny fanambaran' ny FAO, ny vondrona Cavendish dia mahatratra efa ho ny antsasaky ny famokarana akondro maneran-tany, ary ny varotra iraisam-pirenena dia nahatratra eo amin' ny 20 tapitrisa taonina eo ho eo isan-taona tato anatin' ny taona vitsivitsy. Mety hiova ireo tarehimarika ireo, arakaraka ny toe-javatra misy eo amin' ny famokarana sy eo amin' ny tsena.
Maro ny firenena mamokatra akondro maneran-tany nefa ny firenena ao Amerika Afovoany no mpanondrana azy betsaka. I Japana no firenena mpanafatra akondro betsaka indrindra nanomboka tamin’ ny taompolo 1960. Ao Eorôpa no misy ny tsenan’ akondro iraisam-pirenena lehibe indrindra. I Etazonia anefa no tsenam-pirenena lehibe indrindra. Nisy vokatr’ izany ny fifanolanana teo amin' ny Amerikana sy ny Eorôpeana momba ny raharaham-barotra akondro tamin’ ny taompolo 1990. Mba hiarovana ny famokarana akondro any amin' ny firenena mifamatotra amin' ny alalan' ny Conventions de Lomé (Antilia Frantsay, Kanaria Espaniôla, ny firenena ao Afrika sy Karaiba ary Pasifika) dia nanangana lamina hamerana ny fidiran' ny akondro avy any Amerika Latina ny Vondrona Eorôpeana. Izany fifanolanana izany dia nahatonga ny fidirana an-tsehatr' i Etazonia mba hiarovany ny tsenan' ny firenena mifampiraharaha aminy.
Fitahirizana
[hanova | hanova ny fango]
Miankina amin' ny fahamatoy, ny mari-pana, ny hamandoana, ary ny faharetan' ny fotoana itahirizana azy ny fomba fitahirizana akondro. Mety hiteraka fahasimban' ny akondro ny mari-pana ambany loatra; izany dia miseho indrindra amin' ny fahasimban' ny hodiny sy ny fikorontanan' ny fizotran' ny fahamasahany.
Ao anatin' ny rojom-pamatsiana ara-barotra dia zava-dehibe ny fifehezana ny fepetra fitaterana sy fitahirizana mba hampihenana ny fatiantoka aorian' ny fiotazana, sady hiantohana fa azo amidy amin' ny fahamasahana sahaza ilay voankazo.
Fampiasana amin' ny sakafo
[hanova | hanova ny fango]Fihinanana akondro vaovao
[hanova | hanova ny fango]
Ny akondro mamy, izay fihinana mivantana tsy mila ahandroina, dia matetika hanina rehefa voaesotra ny hodiny. Azo ampidirina ao anatin' ny fangarom-boankazo, tsindrin-tsakafo, mofomamy, zava-pisotro voaharo, ary karazan-tsakafo hafa misy akora avy amin' ny ronono koa izy ireo.
Fikarakarana sakafo
[hanova | hanova ny fango]Matetika ny akondro fahandro no andrahoina anaty rano, endasina malefaka, endasina atao may, na totoina ho lasa koba. Miovaova arakaraka ny firenena sy ny faritra ary ny fomba fanaovana fahandro ny fanomanana. Misy ovan-karazana sasany ampiasaina raha mbola maitso, fa ny sasany kosa no mety kokoa rehefa efa masaka.
Ampiasaina amin' ny fanaovana mofomamy, mofo dipaina nasiana siramamy, tsindrin-tsakafo vita amin' ny hero-dronono, ary tsindrin-tsakafo hafa koa ny akondro efa masaka. Ny fahamasahany dia misy fiantraikany amin' ny firafitry ny nofony sy ny hamaminy ary ny hanitra avoakany.
Vokatra voahodina
[hanova | hanova ny fango]Azo karakaraina ho lasa lafarinina, takelana voan' akondro endasina (chips), koba malefaka, vokatra nohamainina, ary zava-pisotro misy alikaola azo avy amin' ny fanotrehana ny akondro. Ny lafarinin' akondro, ohatra, dia azo avy amin' ny voan' akondro nohamainina sy nototoina. Na akondro mbola maitso na efa masaka dia samy azo ampiasaina amin' ny fanamboarana karazan-tsakafo samihafa, arakaraka ny toetra mampiavaka azy sy ny fomba fanodinana ampiharina aminy.
Any amin' ny faritra trôpikaly maro, dia misy ovan-karazany sasany ampiasaina hanaovana zava-pisotro nentim-paharazana vokatry ny fanotrehana. Samy hafa arakaraka ny vondrom-piarahamonina na ny firenena ny fomba fanamboarana sy ny teknika fanomanana ary ny anarana iantsoana azy ireo.
Fikarakarana ny akondro hatao sakafo malagasy
[hanova | hanova ny fango]
Eo Madagasikara, ny akondro dia hanina amin' ny fomba samihafa, arakaraka ny karazany sy ny faritra ary ny fomba fisakafo. Azo hanina manta, endasina, hamainina, na andrahoina miaraka amin' ny akora hafa ny akondro.
Ny mofo akondro dia karazana mofo vita amin' ny akondro, matetika akondro masaka, afangaro anaty koba, izay endasina amin' ny menaka. Atao sakafo maraina na anelanelam-potoana izy io, ary amidy eny an-tsena. Ny koba ravina kosa dia karazana mofomamy ahitana akondro sy kombam-bary, ary, miankina amin' ny fomba fikarakarana azy, voanjo; fonosina ravin' akondro izy io ary andrahoina amin' ny etona.
Any amin' ny morontsiraka atsinanana dia azo hamainaina amin' ny masoandro ny akondro mba hahafahana mitahiry azy ela kokoa. Fitsa no iantsoana an' io fomba fanomanana io, ary mety handalo fampidirana setroka ihany koa indraindray. Azo ampiasaina hanaovana feta mamy ihany koa ny akondro masaka, izay azo amin' ny alalan' ny fandrahoana azy miaraka amin' ny siramamy sy ranom-boasarimakirana.
Any amin' ny faritra avaratra amin' i Madagasikara, indrindra ao amin' ny faritra Diana, ny saoaba, izay antsoina koa hoe kadaka amin' ny toe-javatra sasany, dia sakafo vita amin' ny akondro, izay mety afangaro amin' ny mangahazo na vomanga. Misy karazany andrahoina amin' ny ranom-boanio, ka mety ho mamy na masira ny tsirony. Ny sawaba fontsy lahy, araka ny voalaza ao anatin' ny fomba fahandro iray navoaka tamin' ny taona 2025, dia karazana sakafo vita amin' ny akondro nandrahina amin' ny rano sy ranom-boanio.
Farany, ny akondro maitso, indrindra fa ny karazana akondro lehibe (plantain), dia azo andrahoina amin' ny rano ary hanina ho sakafo misy gliosida, hanina foysiny amin' izao na ho fanampin' ny sakafo hafa.
Fitsaboana nentim-paharazana
[hanova | hanova ny fango]Fitsaboana ny olan' ny fandevonan-kanina
[hanova | hanova ny fango]Ny akondro maitso dia ampiasaina hitsaboana ny fivalanana mipiriritra sy ny valan-dra (disanteria) atỳ Afrika, any Azia, any Karaiba, ary any amin' ny nosy ao amin' ny Ranomasimbe Indianina. Matetika ny akondro maitso no hanina rehefa avy masaka avy nadrahoina, nopotserina ho lasa koba, na nandrahoina toy ny tambavy. Izany fampiasana izany dia vokatry ny fisian' ny tavolo tsy mora levonina sy ny akora handatra (taninina) ao anatiny, izay afaka manampy amin' ny fandrindrana ny fiasan' ny tsinay.

Etsy ankilany, ny akondro masaka dia hanina mba hanampiana ny fiasan' ny tsinay sy hanamaivanana ny fitohanana. Na izany aza, miovaova ny fiantraikan' izany arakaraka ny fahamasahan' ilay voankazo, ny habetsahana hanina, ary ny fomba famalin' ny tenan' ny olona tsirairay.
Ao amin' ny fitsaboana nentim-paharazana any amin' ny faritra sasany, ny akondro maitso dia ampiasaina ihany koa hitsaboana ny fivontosan' ny fonom-bavony, ny fanaintainan' ny vavony, ary ny fery ao amin' ny vavony. Azo hamainina sy totoina ho vovoka ilay akondro manta, na andrahoina anaty rano mba hakana ny singa mahasoa ao anatiny. Any Martinique, ny akondro maitso nokikisana afangaro amin' ny ronono mafana dia ampiasaina mba hanamaivanana ny fanaintainan' ny vavony.
Fikarakarana hoditra sy fanasitranana ratra
[hanova | hanova ny fango]Ampiasaina amin' ny fikarakarana hoditra amin' ny fomba nentim-paharazana ihany koa ny nofon' ny akondro sy ny hodiny. Any amin' ny faritra trôpikaly sasany, ny nofon' akondro voapotsitra na ny ilany anatiny amin' ny hodiny dia apetaka amin' ny ratra ivelany sy amin' ny faritra voaendaka ary amin' ny may kely, mba hanamaivanana ny fanaintainana sy hanampiana ny fahasitranan' ny ratra. Ampiasaina hanamaivanana ny mangidihidy vokatry ny kaikitry ny bibikely ihany koa ny hoditr' akondro.
Ao koa ny fametrahana ny lafiny anatiny amin' ny hoditry ny akondro eo amin' ny votsy; indraindray dia tazomina eo amin' ny alalan' ny fehy izany mba hitoetra eo amin' ny toerany mandritra ny ora maro. Tokony hohalavirina anefa ny fametrahana fanafody namboarina an-trano eo amin' ny ratra misokatra, noho ny mety hisian' ny loto na ny otrikaretina.
Fampiasana ara-pitsaboana nentim-paharazana hafa
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny vondrom-piarahamonina maro, ny akondro masaka dia heverina ho sakafo manome hery, natao manokana ho an' ny olona malemy vatana na ireo eo am-pahasitranana amin' ny aretina. Ny habetsahan' ny gliosida ao amin' ny akondro dia manome angovo, ary ny pôtasiôma ao aminy kosa dia manampy amin' ny fiasan' ny hozatra sy ny fitatitra ara-dalàna. Izany fiheverana manokana ny akondro izany dia vokatry ny toetrany ara-tsakafo indrindra, fa tsy noho ny fananany toetra manokana manasitrana aretina.
Any Afrika Afovoany, indrindra any Gabôna sy any Kamerona, ny akondro natono anaty lavenona dia ampiasaina mba hamonoana ny kankana an-tsinay, hitsaboana ny piriritra sy aretina isan-karazany mifandraika amin' ny taovam-pisefoana. Misy karazana akondro dia (maniry hoazy any an' ala) izay hamainina avy eo avela hilona ao anaty alikaola, ka atao fanafody hanamaivanana ny fanaintainan' ny lamosina sy ny taolana ary ny tonon-taolana.
Fampiasana ny akondro eo amin' ny fitsaboana sinoa nentim-paharazana
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny fitsaboana sinoa nentim-paharazana, ny akondro (Musa × paradisiaca) dia heverina ho voankazo manana toetra mangatsiaka sy mamy. Noho izany dia ampiasaina izy io mba "hanalana hafanana" sy hamonoana hetaheta ary hanamaivanana toe-javatra sasany mifandraika amin' ny tazo na ny fahataitairana. Ireo fanao ireo dia tafiditra ao anatin' ny rafitra ara-teôria manokana ao amin' io fitsaboana nentim-paharazana io, ary tsy voatery hifanaraka amin' ny voka-pitsaboana voaporofo araka ny fenitry ny fitsaboana siantifika ankehitriny.
Fitsaboana nentim-paharazana eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Ero Madagasikara, ny fampahalalana momba ny fifandraisan' ny olombelona sy ny zavamaniry (etnôbôtanika), izay voarakitra ao amin' ny bokin' i Jean-Pierre Nicolas mitondra ny lohateny hoe Plantes médicinales du Nord de Madagascar. Ethnobotanique antakarana et informations scientifiques (2012), dia milaza fampiasana maro ara-pitsaboana azo avy amin' ny nofon' ny akondro maitso. Any faritra avaratra amin' ny Nos dia ampiasaina manokana hitsaboana ny aretim-pivalanana izy io. Voalaza ihany koa fa ny ranoka azo avy amin' ny fampangotrahana ny nofon' ny akondro maitso dia ampiasaina hitsaboana ny fivontosan' ny fonom-bavony (gastritis) sy ny fery ao amin' ny vavony; indraindray dia sotroina izany rehefa mbola tsy misy sakafo ny kibo.
Ireo fanazavana ireo dia manamarina ny anjara asan' io voankazo io eo amin' ny fomba fitsaboana nentim-paharazana malagasy, indrindra fa ao anatin' ny fomba fitsaboana nentim-paharazan' ny Antakarana. Na izany aza dia angona momba ny etnôbôtanika fotsiny ihany ireo, ka tsy midika fa mahomby na azo antoka ny fanafody voaomana avy aminy.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Akondro (zavamaniry)
- Musa (vondron-karazana)
- Voankazo
- Lisitry ny hazo fihinam-boa eto Madagasikara
Fanovozan-kevitra
[hanova | hanova ny fango]- Nicolas, J.-P. (2012). Plantes médicinales du Nord de Madagascar. Ethnobotanique antakarana et informations scientifiques.
- Pereira, A. et Maraschin, M. (2015). "Banana (Musa spp) from peel to pulp: Ethnopharmacology, source of bioactive compounds and its relevance for human health". Journal of Ethnopharmacology, 160, 149–163.
- Gavidia-Valencia, J. G. et al. (2026). "Recent review on ethnomedicinal, pharmacological and chemical aspects of banana (Musa paradisiaca)". Food and Feed Research, 53(2), 306–329.
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Complete nutritional information.
- International Network for the Improvement of Banana and Plantain (INIBAP)
- Honduran Foundation of Agricultural Research (FHIA) Archived Desambra 14, 2011 at the Wayback Machine
- Banana from Fruits of Warm Climates by Julia Morton
- Banana and Plantain - University of Georgia Archived Aogositra 10, 2006 at the Wayback Machine
- Banana Fruit Facts - California Rare Fruit Growers Archived Oktobra 17, 2020 at the Wayback Machine.
- Tracing antiquity of banana cultivation in Papua New Guinea Archived Oktobra 18, 2005 at the Wayback Machine
- Bananas could split for good
- Bananas not on verge of extinction, says FAO Archived Aogositra 29, 2005 at the Wayback Machine.
- Plant pathologists unpeel rumors of banana extinction Archived Janoary 26, 2007 at the Wayback Machine
- De Laat Koudetechniek - Information about ripeningrooms Archived Septambra 29, 2007 at the Wayback Machine
- The influence of banana stem extract on urinary risk factors for stones
Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Royal Botanic Gardens, Kew, "*Musa acuminata* Colla," *Plants of the World Online*: https://powo.science.kew.org/taxon/urn:lsid:ipni.org:names:797527-1/general-information Archived Oktobra 25, 2026 at the Wayback Machine
- ↑ Royal Botanic Gardens, Kew, "*Musa balbisiana* Colla," *Plants of the World Online*: https://powo.science.kew.org/taxon/urn:lsid:ipni.org:names:797536-1/general-information Archived Oktobra 25, 2026 at the Wayback Machine
- ↑ M. A. C. do Nascimento et al., « The Starch Is (Not) Just Another Brick in the Wall: The Primary Metabolism of Sugars During Banana Ripening », Frontiers in Plant Science, vol. 10, 2019, article 391, texte intégral.
- ↑ United States Department of Agriculture, FoodData Central, « Bananas, raw », .