Hankany amin'ny vontoatiny

Koba (mofo)

Avy amin'i Wikipedia
Koban-dravina amidy ao Antananarivo

Ny koba na koba an-dravina na koban-dravina na koba ravina dia mofo amboarina amin' ny totom-bary nasiana voanjo voatoto sy siramamy . Fanao tsindrin-tsakafo izy io. Sakafo nentim-paharazana eto Madagasikara izy io, indrindra fa any amin' ny faritra afovoany.

Endriky ny koba ihany koa ny koba akondro izay amidin' ny mpivarotra mandehandeha eny an-tsena sy eny amin' ny tobin-tsolika ny koba akondro. Vita amin' ny voanjo voatoto, akondro nopotserina, tantely ary koban-katsaka nofonosina anaty ravin' akondro izy io, avy eo andrahoina amin' ny eton-drano na andrahoina anaty rano mandra-pahamafin' ilay fangaro.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]