Hankany amin'ny vontoatiny

Vanga

Avy amin'i Wikipedia
Vanga curvirostris

Ny Vanga curvirostris dia karazana vorona madinika ao amin' ny vondron-karazana Vanga, izay hany vondron-karazana ao amin' ny fianakaviana Vangidae. Miloko mainty sy fotsy izy io, eo an' elanelan' ny haben' ny Artamella viridis sy an' ny Falculea palliata ny habeny. Mirefy 25 ka hatramin' ny 29 sm ny Vanga curvirostris. Tsy hita afa-tsy eto Madagasikara izy io. Nantsoina hoe Lanius curvirostris izy io taloha.

Vanga curvirostris
Vanga curvirostris

Ny Vanga curvirostris dia miseho amin' ny zana-karazana roa, dia:

  • ny Vanga curvirostris curvirostris Linnaeus, 1766 (hita any andrefana sy any avaratra ary any atsinanana);
  • ny Vanga curvirostris cetera Bangs, 1928 (izany manana vava lava kokoa, 27 hatramin' ny 30 mm, ary tsy dia matevina, ny mainty amin' ny lohany dia voafetra ao aorian' io lohany io ary misy fotsy manodidina ny vozony fotsy be sakany kokoa, hita any atsimo).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]