Hankany amin'ny vontoatiny

Treculia

Avy amin'i Wikipedia
Treculia africana

Ny Treculia dia vondron-karazan-javamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Moraceae. Tafiditra ao anatin' izany ny hazo maniry any amin' ny faritra andrefana sy afovoany ary atsimo amin' i Afrika (anisan' izany ny eto Madagasikara), ka ny fantatra indrindra amin' izany ny Treculia africana (firapay na tsirapay), izay mahatratra 8 kg ny voany azo hanina, mitovy habe amin' ny baolina vÎley. Io vondron-karazana io dia nomena ny anarany ho fanomezam-boninahitra ny bÎtanista Auguste Trécul.

Treculia africana

Karazana dimy no ekena araka ny Plants of the World Online:

  • Treculia acuminata Baill.
  • Treculia africana Decne. ex TrĂ©cul
    • Treculia africana var. africana
      • Treculia africana var. africana cultivar Nutreculia Nutrecul-TRC
    • Treculia africana var. ilicifolia (Leandri) C.C.Berg
    • Treculia africana var. inversa Okafor
    • Treculia africana var. mollis (Engl.) LĂ©onard
    • Treculia africana var. sambiranensis (Leandri) C.C.Berg
  • Treculia lamiana Leandri
  • Treculia obovoidea N.E.Br.
  • Treculia zenkeri Engl.

Ireto ny karazana hita eto Madagasikara:

  • Treculia lamiana -- ampalibeala
  • Treculia africana ssp. madagascarica (N.E.Br.) C.C. Berg. (na Treculia madagascarica) - dipaka, tsipaka, tsipaty, varongifotsimalailay
  • Treculia africana var. ilicifolia (Leandri) C.C. Berg. (na Treculia perrieri) -- katoka, tobory, tsipa, tsitendry
  • Treculia africana var. sambiranensis (Leandri) C.C. Berg.(na Treculia sambiranensis) -- foza, tsaripaky, tsitimpahy

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]