Ornithischia

Ny Ornithischia (izay fantatra ihany koa amin' ny hoe Predentata) dia klady na filaharana misy biby efa lany tamingana sady iray amin' ny klady lehibe roa mampivondrona ny dinôzôro. I Harry Govier Seeley no nanolotra io fanasokajiana io tamin' ny taona 1887, ary nekena haingana izany. Ny fahasamihafana misy eo amin' ny Ornithischia sy ny Saurischia, ilay klady lehibe iray hafa ao amin' ny Dinosauria, dia hita indrindra eo amin' ny taolam-balahany. Ny Ornithischia dia manana taolam-balahana mitovitovy amin' ny an' ny vorona; izany hoe, mitodika mankany aoriana ny taolan' ny tampom-banjany. Misy fahasamihafana lehibe hafa koa, indrindra eo amin' ny karan-doha sy ny endriky ny taolan-tendany. Misy taolana eo amin' ny faritra alohan' ny valanorano, izay ahafahany manetsika ny taolana itsatohan' ny nify eo amin' ny valanorano ambany. Na izany aza, araka ny teôria eken' ny maro ankehitriny, ny karazam-borona mbola misy ankehitriny dia sokajina ho anisan' ny Saurischia (dinôzôro manana valahana mitovy amin' ny an' ny androngo), fa tsy anisan' ny Ornithischia.