Litisia
Ny litisia na letisia dia hazo fihinam-boa avy amin' ny fianakaviana Sapindaceae, izay mamokatra voankazo azo hanina atao hoe litisia na letisia koa. Ity hazo trôpikaly ity no hany ao amin' ny antokon-javamaniry Litchi. Ny anarany ara-tsiansa dia Litchi chinensis Sonn. na Nephelium litchi Cambess.. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe litisia, letisia, letisy, lotisia, laotisy.
Teratany any amin' ny faritany sinoa telo (Guangdong sy Fujian ary Yunnan), izay nahitana ny fambolena azy nandritra ny 2 100 taona mahery, ity hazo ity. Ny nofony miloko fotsy be ranony izay mandrakotra vihy tokana no ampahany hanina amin' ny voany.
Mitovy amin' ny voankazo trôpikaly hafa amin' ny fianakaviana iray ihany: longane (na longani), ny rambutan (na "litisia misy volo"), ny quenettier raha amin' ny firafiny, ny litisia. Ny litisia no manana ny maha izy azy indrindra eo amin' ny lafiny toekarena amin’ izy ireo.

Teratany any atsimo atsinanan' i Sina sy Azia Atsimo-Atsinanana ny zana-karazana chinensis izay nampidirina ho amin' ny famokarana any amin' ny faritra trôpikaly hafa toa an' i Kambôdia, i India, i Vietnamy, i Madagasikara, i Tailandy, i Hawaii, i La Réunion, i Mayotte, i Maorisy, i Kômôro, i Nouvelle-Calédonie, i Martinika ary i Guadeloupe, izay mbola tsy ahitana azy firy sady tsy ahafahana mamboly azy firy noho ny fahasahiranana amin' ny fanazarana azy ny toetany ka tsy ahafaha-mioty afa-tsy kely isaky ny 5 taona, any Brezila ao amin' ny Fanjakan' i São Paulo, sns.
I Sina no firenena mamokatra litisia be indrindra, arahin' i India, i Vietnamy, i Taiwan, ary i Madagasikara.
Any amin' ny ila-bolantany avaratra, ny litisia dia hanina any Azia amin' ny vanim-potoana mafana, amin' ny fotoana famokarana amin' ny volana Mey-Jona-Jolay, raha any Eorôpa kosa dia hanina amin' ny vanim-potoana mangatsiaka amin' ny faran' ny fialan-tsasatra amin' ny fahavaratra, ka ny litisia amin' izany dia nohafarina avy any amin' ny ila-bolantany atsimo.