Hindoisma

Ny hindoisma dia fivavahana sy filôzôfia ary fomba fiainana mbola be mpanaraka, izay nipoitra tao amin' ny Zana-Kôntinenta Indiana, ka atao hoe Hindoa na Hindo ny mpanaraka azy. Anisan' ny fivavahana tranainy indrindra eran' izao tontolo izao izay mbola misy mpanaraka izy[1]. Voasokajy ho anisan' ny fivavahana darmika ny hindoisma. Ny ankamaroan' ny Hindoa dia mino ny fahefan' ny boky maro atao hoe Veda[2] izay ekeny fa nambara tamin' ny olombelona "tsy araka ny fomban' olombelona" (apauruṣeya)[3] tamin' ny alalan' ilay andriamanitra mpamorona atao hoe Brahmā (na Brahmâ) araka ny fandrenesan' ireo Rishi (izany hoe "mpahita")[4]. Tsy fantatra ny nanoratra ny lahatsoratra ao amin' ireo Veda ireo ary anganongano no ahafantarana ny sasany, tahaka an' i Vyāsa.
Tsy manana mpanorina sy tsy misy andrim-pitantanana voalamina amin' ny fomba ranoray ny hindoisma satria ny mpampianatra ny finoana, atao hoe Brahmana, dia samy manana ny fikambanam-pampianaram-pinoana misy azy[5][6].
Raha hatao hoe "fivavahana" fotsiny ny hindoisma dia tsy tokony hampitovina amin' ny andraisan' ny kristianisma na ny jodaisma ny hoe "fivavahana" satria hafa ny fandaminana hita ao na hatramin' ny ivon' ny fampianaram-pinoany aza[7]. Mampiavaka ny hindoisma ny toetrany izay ahitana fitambarana karazana finoana sy fanao avy amin' ny fivavahana samihafa mifangaro (sinkretisma).
Ny Persiana tamin' ny taonjato faha-5 no nanome anarana ny mponin' ny vinanin' ny renirano Sindo (Indus, amin' ny teny latina) amin' io anarana Hindoa io izay niita-kevitra ka lasa nilazana ny mponin' ny Zana-Kôntinenta Indiana iray manontolo. Avy amin' ny teny sankrita hoe sindhu izay midika hoe "ony" ny teny nogasina hoe hindo izay manondro indrindra ny ony Sindo izany. Tamin' ny voalohany (taonjato faha-5) dia nentin' ny Mozilmana nanondro ny mponina ao amin' ny lemaka eo am-pivarinan' ilay ony any an-dranomasina ny teny persana hoe hindu (izay gasina eto hoe hindoa)[8].
Fitambaran-kevitra filôzôfika nolovaina hatrany alohan' ny nahafantarana ny tantara indiana ny hindoisma[9]. Avy tamina lovantsofina tranainy dia tranainy, izay manakaiky ny atao hoe animisma, ny fampiharana ny hindoisma amin' ny fiainana. Azo zaraina telo ny tantaran' io fivavahana io ka ny hindoisma, araka ny ahafantarana azy amin' izao, no dingana farany taorian' ny vedisma (taona 1500 - 500 tal. J.K.) sy ny brahmanisma (600 tal. J.K. - 500 taor. J.K.)[10]. Ao amin' ny Zana-Kôntinenta Indiana no tena betsaka mpanaraka ny hindoisma, nefa ahitana azy koa ny toerana ivelan' i India izay ahitana Indiana mpifindra monina toa an' i Afrika Atsinanana sy Atsimo, i Azia Atsimo-Atsinanana, ny vondro-nosy Antilia ary i Angletera.
Misy firehana efatra lehibe ny ao amin' ny hindoisma, dia ny visnoisma (mivavaka amin' ny andriamanitra Vishnu), ny sivaisma (mivavaka amin' i Shiva), ny saktisma (mivavaka amin' i Shakti) ary ny smartisma (mivavaka amin' andriamanitra dimy: Shiva, Vishnu, Durgâ, Surya ary Ganesh na Skanda).

Tamin' ny taona 2015 dia niisa 1 100 tapitrisa any ho any ny mpivavaka manaraka ny hindoisma[11][12] ao amin' ny firenena 85[8]. Izy no laharana fahatelo amin' ny fivavahana be mpanaraka indrindra, aorian' ny kristianisma sy ny silamo. Ny Veda no vondro-boky masiny, izay misy ny ankamaroan' ny fampianarana arahina ao. Tsy fantatra ny nanoratra azy ireo.
Ny andriamanitra ao amin' ny hindoisma
[hanova | hanova ny fango]Mino ny fisian' ny andriamanitra maro ny ankamaroan' ny Hindo nefa tsy terena hivavaka amin' izy rehetra na amin' ny iray akory aza. Misy noho izany ny fisafidianan' ny isam-batanolona ny andriamanitra maromaro na tokana hotompoiny, ary misy koa ny olona tsy manompo na ny iray amin' izany andriamanitra maro izany.
Ny andriamanitra ao amin' ny trinite hindo
[hanova | hanova ny fango]Ireto ny andriamanitra telo ao amin' ny trinite hindo (त्रिमूर्ति / trimūrti "endrika telo"): i Brahma sy i Shiva ary i Vishnu. Tsingerim-pisehoan' izao rehetra izao sy fitehirizana izao tontolo izao ary faharavan' izao tontolo izao ny Trimurti, ka i Brahma no mpahary, i Vishnu no mpiaro ary i Shiva no mpandrava.
Brahma
[hanova | hanova ny fango]Andriamanitra mpahary ao amin' ny hindoisma i Brahma, izy no andriamanitra voalohany ao amin' ny trinite hindo. Tsindrandray ihany i Brahma no miditra an-tsehatra amin' ny raharahan' andriamanitra sy amin' ny raharahan' olombelona.
Shiva
[hanova | hanova ny fango]Andriamanitra faharoa ao amin' ny trinite hindo i Shiva. Indraindray dia heverina fa andriamanitry ny iôga (yoga) i Shiva, izay manana ny fahalalana ny zava-drehetra. Manana anjara asa dimy lehibe ity andriamanitra ity: mpamorona, mpitahiry, mpanova, mpanafina ary mpanambara (amin' ny alalan' ny fitahiana).
Vishnu
[hanova | hanova ny fango]Andriamanitra fahatelo manaraka an' i Brahma sy i Shiva ao amin' ny trinite hindo i Vishnu. Fantatra amin' ny alalan' ny endri-pisehoany maro i Vishnu. Izy no andriamani-dehibe ao amin' ny visnoisma. Matetika i Vishnu no aseho amin' ny alalan' ny olona miloko manga manao fitafiana sy fihaingoa-mpanjaka sady manana tanana miisa efatra.
Ny andriamani-dehibe hafa malaza
[hanova | hanova ny fango]Shakti
[hanova | hanova ny fango]Andriamanibavy vadin' i Indra, ilay andriamanitry ny paradisa-tontolo (Ioka) i Shakti. Matetika izy no akambana amin' i Shiva, ilay angovo lahy, fa izy kosa no angovo vavy, foto-javatra miasa sy miseho ivelan' ny andriamanitra lahy.
Durgâ
[hanova | hanova ny fango]Anisan' ny endrika lehiben' ny andriamanitra reny atao hoe Devi i Durgâ. Andriamanitry ny fiarovana, ny hery, ny maha-reny, ny fandravana sy ny ady izy. Ny fedrà momba azy dia mitantara ny adiny amin' ny herin-demony izay nanimba ny fandriampahalemana, ny firoboroboan' ny fiharian-karena, ary ny dharma izay herin' ny tsara mandresy ny ratsy. Inoana ho nanampatra ny hatezerany amin' ny ratsy fanahy i Durga mba hanafahana ny olona na vahoaka voageja, ka niteraka fandravana hanamafisany ny famoronana izany.
Surya
[hanova | hanova ny fango]Andriamanitra masoandro i Surya, zanak' i Āditi sy i Kashyapa. Manana vady efatra izy: i Samjnâ ("fahalalana"), i Râjnî ("fiandrianana"), i Prabhâ ("fahazavana") ary i Châyâ ("aloka"). Izy no rain' i Manu, ilay olombelona voalohany sady mpamorona lalàna ho an' ny olombelona. Rain' i Yama, andriamanitry ny fahafatesana, izy, sady rain' i Yamî koa, izay nanjary renirano (ny renirano Yamunâ, iray amin' ny renirano telo masina indrindra ao amin' ny hindoisma) taorian' ny fahafatesany.
Ganesh
[hanova | hanova ny fango]Andriamanitra nanafoana ny sakana rehetra i Ganesh, andriamanitry ny fahendrena, ny faranitan-tsaina, ny fanabeazana, ny fahamalinana, mpiahy ny sekoly sy ny mpiasan' ny fahalalana. Aseho amin' ny fananany lohan' elefanta izy, izy no andriamanitra tompoina indrindra ao India. ary mahenika ny Zana-Kôntinenta Indiana sy Azia amin' ny ankapobeny ny hasiny. Zanaka lahin' i Shiva sy i Pârvatî izy, vadiny i Siddhi ("fahombiazana") sy i Buddhi ("saina") ary i Riddhî ("harena").
Skanda na Kartikeya
[hanova | hanova ny fango]Andriamanitry ny tafik' andriamanitra i Kartikeya na Skanda. I Devasena no andriamanibavy vadiny. Zanak' i Shiva sy i Pârvatî izy. Vanto-jaza mandrakizay (kumâra) izy ka itsaohana nandritra ny vanim-potoan' ny Empira Gupta (taonjato faha-3 hatramin' ny faha-6) izy tao India Avaratra izay nanao azy ho andriamanitra mpiaro ireo Chalukya (dinastia tamin' ny taonjato faha-6 ka hatramin' ny faha-12). Ao India Atsimo no mampalaza azy, ka ao izy dia fantatra amin' ny anarana amin' ny teny tamily hoe Murugan ("zazalahy").
Sampana sy sekoly ao amin' ny hindoisma
[hanova | hanova ny fango]Ny famolavolana filôzôfika, izay loharanon' ilay antsoina ankehitriny hoe "hindoisma", dia nampitaina am-bava nandritra ny taonjato maro, ary nanomboka nadika an-tsoratra tamin' ny tapany voalohany amin' ny taonarivo voalohany tal. J.K. Ity lamina ara-pivavahana sy ara-kolontsaina antsoina hoe hindoisma ity dia nivoatra tao amin' ny Zana-Kôntinenta Indiana ary mahalana no mivoaka ny sisin-taniny.
Ny lamina ara-pilôzôfia sy ara-teôlôjia enina
[hanova | hanova ny fango]Nampandroso astika tranainy na sekoly ôrtôdôksa (satria nanaiky ny fahefan' ny Veda) momba ny filôzôfia, na shaddarshana, ny hindoisma. Ireo lamina, na darshana ("fahitana") ireo, izay an' ny hindoisma klasika ireo, dia miisa enina; ny tsirairay amin' izy ireo dia vokatry ny fivoarana naharitra araka ny asehon' ny literatiora mivelatra be sady manana toetra sôteriôlôjika avokoa izy rehetra (izany hoe miresaka ny famonjena), mikendry ny hahatratra ny fanafahana, famotsorana amin' ny fifindrafidran' ny fanahy amin' ny vatana samihafa (मोक्ष / mokṣa):
- Ny Sāṃkhya, iray amin' ny tranainy indrindra, dia lamim-pandinihana mifototra amin' ny fifanoherana (doalisma) eo amin' ny mônada mahatsiaro tena (Puruṣa) sy ny natiora tany am-piandohana (Prakriti).
- Ny Yoga (Râja Yoga, "fiombonana mpanjaka"), lamina mifototra amin' ny fomba fanao asketika (momba ny etika, ny fanadiovana, ny fomba fipetraka, ny taovam-pisefoana ary ny fisaintsainana) avy amin' ny fanao tranainy indrindra nangonin' i Patanjali.
- Ny Vaisheshika, lamina nanolotra voalohany ny rindran-kevitra manohana ny atômisma.
- Ny