Acmella oleracea
Fiseho

Ny Acmella oleracea dia karazana zavamaniry ahitra ao amin' ny fianakaviana Asteraceae. Ity karazana ity dia ambolena amin' ny ankapobeny. Heverina fa avy any Amerika Atsimo (Brezila sy Peroa) izy io. Anarana ahafantarana azy taloha koa ny hoe Spilanthes oleracea. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe ahimafana, anamafana, anamalaho, anamalao, felimafana, kimalaho, kimalaholahy, kimalao, kimotodoha, mangovitra, menavony, sarinanamalao.
Ampiasaina hanatsarana tsiron-tsakafo noho ny tsirony somary mafanafana ny anamalaho. Raha hanina maitso tsy andrahoina izy dia manome vitaminina C. Misy ovan-karazany maro ny anamalaho, ka anisan' izany ny anamalahobe, ny anamalahokely, ny anamalahombazaha, ny anamalahonkova, ary ny anamalahovavy.
Kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Ohabolana
[hanova | hanova ny fango]- Anamalahon' Ambanidia: takalo kely no ananana azy.
- Raha sery vitan' anamalaho, aza amonoana vatotr' akoho.